Manana fiara ny tena, ary rehefa teny amin'ny arabe teny dia nosakanan'ny polisy mpisava papier. Gaga aho rehefa nanazava izy hoe tokony handoa "Droit de stationnement" eny amin'ny commune hono aho raha mipetraka eto Toamasina. Tsy fantatro mihitsy, ary tsy mbola nahare resaka momba izany mihitsy hatramin'izay nanaovana papier ny fiara sy nivezivezena teto Toamasina izay.
Nanadihady moa ka sendra ity PDF iray ity : https://www.undp.org/sites/g/files/zskgke326/files/2024-12/print_guide_dacces_des_citoyens_cut_ok.pdf
Guide du citoyen hono izy ity hoy ny PNUD, USAID sy ny Commune Urbaine de Toamasina. Efa lany daty ihany ilay guide fa ahitana informations betsaka kosa mety mba manampy rehefa hanao zavatra.
20 000Ar ilay droit de stationnement ho an'ny fiara tsotra (particulier), izay tsy hita ao amin'io guide io akory moa izy ity. Ao amin'ny section an'ny tuctuc no misy kely momba an'izay.
Mba zavatra iray hay aloha izay.
0 commentaire